CONSULAT
 


Amin-kafaliana lehibe no iarahabako ny malagasy rehetra mpiray tanindrazana izay monina eto Frantsa, amin’izao nanendren’ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara Marc RAVALOMANANA ahy ho Ambasadaoro hitarika ny masoivoho malagasy eto Frantsa izao.
Mari-pahatokisana lehibe izany ary raisiko ampanetre-tena ny hanatontosako izany andraikitra  napetrany tamiko izany. Adidy lehibe ihany koa izany satria ny masoivoho izay tarihiko dia tsy maintsy mitondra ny anjara-birikiny amin’ny fampandrosoana ny firenentsika.
Manantena aho fa hiaraka hifarimbona isika malagasy rehetra amin’ izay sehatra tandrifiny avy, ampiseho firaisan-kina ary hanaja hatrany ny soatoavina malagasy.

Ary satria, mifanandrify ny taom-baovao 2008 sy ny fotoana andraisako ny andraikitro eto amin’ny masoivoho,  dia miarahaba antsika malagasy tsy ankanavaka tratry ny taona 2008 ny tenako,  ary mirary ny soa rehetra.

Rajaonarivony  NARISOA

Ambasadaoro - Masoivoho Malagasy eto Frantsa

 

C’est avec une immense joie que je salue tous mes compatriotes malgaches résidant en France, suite à ma nomination par le Président de la République de Madagascar au titre d’Ambassadeur représentant notre pays en France.
C’est une marque de confiance que j’accepte avec humilité dans l’accomplissement des responsabilités qu’il m’a confiées. C’est également un devoir, puisqu’il m’impose une obligation de résultat et l’Ambassade doit apporter sa contribution dans l’effort commun pour le développement de notre pays.
Je souhaite que tous ensemble, nous saurions y participer, et chacun à sa manière, dans la solidarité et dans le respect des valeurs qui sont les nôtres.

Et puisque ma prise de fonction coïncide avec la nouvelle année 2008, c’est avec plaisir que je formule à toutes et à tous mes vœux les meilleurs. 

Rajaonarivony  NARISOA
Ambassadeur  de Madagascar en France




Retour
Ambassade de Madagascar - 4 Avenue Raphaël - 75016 PARIS - Tél : 01 45 04 62 11